jeudi 27 octobre 2016

SAMBATRA NY MALEMY FANAHY


Sambatra ny malemy fanahy (Sal. 37. 11a).

          Tsy dia ny  “malemy an-dranom-bary” foana tsy amin’ny antony anefa no antsoin’i Jesosy ho sambatra eto, fa ny sahy hatramin’ny fahafatesana aza. Tsy ny miaro-tena, fa ny miaro ny hafa ; tsy ny mitandro ny voninahitry ny tena, fa ny manondrotra ny hajan’ny sasany sy ny voninahitry ny anaran’Andriamanitra, tahaka izay nataon’ny Tompo Jesosy (Mat. 18: 6, 21: 12, 23: 13 ; Mar. 3: 5).
        Saro-dazaina amin’ny teny indraim-bava anefa ny hevitry ny hoe “malemy fanahy”. Fanetren-tena no fototra iorenany  (Efes. 4: 2 ; Kol. 3: 12) ; ary fitiavana no vi-miaina manetsika azy. Raha tsorina, dia tsy inona fa ny toetry ny olona izay manaiky ny fitondran’Andriamanitra ka mahazaka izay rehetra mihatra, na ny avy amin’Andriamanitra, na ny ataon’olona.
Ho mazava kokoa amin’ny sasany angaha raha ny hevitra négatif indray no anazavantsika azy. Ny malemy fanahy dia olona tsy mora tezitra (Ohab. 16: 32) , tsy mialona, tsy miavonavona (Ohab. 16: 18-19), tsy tia adiady ary tsy mpamaly ratsy.
        Ny Bokim-pahendrena ao amin’ny Testamenta Taloha : (Ohabolana, Mpitoriteny, Salamo) sy ny Epistilin’i Jakoba ao amin’ny Testamenta Vaovao dia samy manambara ny maha-fatratra izany toe-panahy izany ; nefa ny fampianaran’i Jesosy Kristy no tena ahitana azy feno sy tonga ohatra. “Ento ny ziogako, ka mianara amiko, fa malemy fanahy sady tsy miova am-po Aho, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo” (Mat. 11: 29 , 12: 18 - 19, 21: 5).
        Amin’izay nataon’i  Jesosy Kristy no tsy maintsy ianarantsika ny hevitr’ity tenim-pahasambarana ity : Raha notevatevaina Izy, dia nahatsindry fo tsara  ( 1 Pet. 2: 23) ; raha navadik’i Jodasy tamin’ny oroka feno fihatsarambelatsihy, dia niteny tsimoramora hoe : “Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto”; raha nihantona teo ambony hazofijaliana, dia nivavaka ho ann’y fahavalony hoe: “Raiko ô : mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony”. Izany no nataon’i Jesosy ; nefa raha nisy rariny tsy azon’ny fo leferina, dia nahay nirehitra ny Tompo tamin’izay nahamety izany - tsy zakany raha ny voninahitr’Andriamanitra no kasikasihina, raha tsy ny manam-piaro no itsakitsahina (vakio Mat. 18: 6, 21: 12, 23: 13). Isan’ny fampianaran’i Jesosy sarotra arahina ity ;  nefa mihatra indrindra amin’ny fiaimpiainan’ny Kristiana isan’andro vaky, ka dia tsy azo ialana foana na odian-tsy hita. Raha mba tena maniry fahasambaram-panahy sy fiadanam-po isika, dia tsy maintsy mizotra amin’ity lalana ety ity.

Loharano: IAA, Ny tenim-pahasambarana, Antananarivo, 2013, Pejy 13-15.


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire