vendredi 21 octobre 2016

FAHAMASINANA



“…ary Abrahama niraka taminy hanatitra azy.” (Gen. 18: 16 b)

Izay no vokatra voalohany hitantsika eto ateraky ny fifidianana, ry havana.
Ny and. 16 dia ahitantsika an’i Abrahama mandeha mitokana miaraka amin’Andriamanitra. Hamafisin’ny and. 22 izany : “ i Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan’i Jehovah.”
Ny fifidianana rehetra, ry havana, dia tsy afa-misaraka amin’ny fanavahana: rehefa fidina ianao dia avahana amin’ny hafa izay tsy voafidy. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny fifidianana dia midika fa atokana ianao. Ary izany indrindra no hevitry ny hoe “masina” ato amin’ny Soratra Masina: masina=voatokana.
Koa ianao izay voafidy, tsarovy fa mitaky fahamasinana aminao io nahavoafidy anao io. Isika Fiangonana, mitaky fahamasinana ny maha Fiangonana antsika! “ Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao”, hoy i Paoly tamin’ny Kristianina tany Roma (Rom. 12: 2). Sao ny fifidianana nekenao, faly ianao fa voafidy ho izao na ho izao; nefa ny fiainanao milomano ao anaty tsy fahamasinana. Tsy mety izany. Raha ekenao ny fifidianana anao, manapaha hevitra handeha amin’ny fahamasinana, amin’ny maha olona voatokana an’i Jesoa anao!

Loharano: IAA, Andao hiomana hiatrika fifidianana!, Antananarivo, 2014, pejy 25-26

1 commentaire:

  1. Mankasitraka indrindra ny amin'ny fampatsiahivana fa tsy olonolom-poana akory ny olom-boafidin'ny Tompo, fa navahany tamin'ny maro. Ka tokony handeha araka ny sitrapon'IZY Tompo izay nifidy fa tsy araka ny sitrapon'izao tontolo izao. Misaotra, Misaotra indrindra. Mirary soa Pasitera.

    RépondreSupprimer