jeudi 20 octobre 2016

NAHOANA ISIKA NO MIJORO HO VAVOLOMBELONA?





         Raha handeha hiakatra ho any an-danitra i Jesoa Tompontsika dia tsy nentiny niakatra avy hatrany ny mpianany. Nahoana? -Satria, hoy Izy : “Hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.” (Asa. 1.8).
Koa navelany eto amin’izao tontolo izao isika mpianany mba hijoro ho vavolombelony.
Koa tsy haitraitrantsika akory ny fijoroana ho vavolombelona fa tena antom-pisiantsika amin’ny maha Fiangonan’i Jesoa Kristy antsika mihitsy. Ny tsy fanaovantsika izany dia tena fiam-pangan-tena ataontsika mihitsy ho fialana, sanatria, amin’ny antom-pisiantsika.
Fa io hoe “vavolombeloko” io no anarana voalohany nomen’i Jesoa  ny mpianany taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Izany hoe: vonona hameno antsika amin’ny heriny nandresy ny fahafatesana Izy hanefantsika izany. Toky lehibe ho antsika izany. Koa alao hery àry! Mijoroa!


Loharano: IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, Antananarivo, 2013, pejy 1

1 commentaire:

  1. Mankasitraka indrindra, Pasteur! Tena vonona ho vavolombelon'i Jesoa Kristy Tompontsika ary manantena sy miankina amin'ny Herin'Andriamanitra Irery ihany mba ho mpanompony vanona!
    Mitondra am-bavaka mandrakariva anao sy ny ankohonanao! Mahefà be hatrany, Pasteur ary dia manonona ny Fiadanan'i Kristy ho anareo mianakavy!

    RépondreSupprimer