lundi 24 octobre 2016

MIANARA MIPETRAKA ALOHA MBA HIVAVAKA



“Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany.” (Mar. 1: 35)

Teo am-panombohana ny asany, rehefa vita ny fotoam-pianaran’i Jesoa, tsy mbola tonga dia
niasa koa Izy fa mbola nentin’ny Fanahy nankany an-taniefitra hivavaka tao anaty fifadian-kanina ary halain’ny devoly fanahy (Mat. 4. 1-2), hiatrika fanadinana. Zava-dehibe io fitokanam-bavaka mialoha ny hiasana io, ary fitokanam-bavaka …40 andro sy 40 alina be izao!

Fieritreritra izany fomba nataon’i JESOA nipetraka aloha mba hivavaka izany:  ny Mpiomana
ho Mpiandry no mba mitokana mandritra ny 5 andro mialoha ny fanokanana azy. Fa mba ahoana  ho an’ny Mpitandrina hatokana, ho an’ny diakonina hatokana, ho an’ny biraon’ny sampana samihafa hatokana? Fa firy amin’ireo no mba manana fotoana hitokanana mialoha ny hanombohany miasa?

Fieritreritra izany fomba nataon’i JESOA nipetraka aloha mba hivavaka izany ny amin’ny fanomanam-panahy fanaontsika mialoha ny fanatanterahana ny fanompoham-pivavahana Alahady maraina, ohatra: indraindray toa vavaka maimaika eo am-pitsanganana, vavaka 2 minitra! Nahoana raha mba mipetraka no manao ny fanomanam-panahy? Nahoana raha mba asiana fotoam-bavaka tsara?

Ary tsy teo am-panombohana ny asany ihany i Jesoa no nipetraka mba hivavaka toy izany, fa teo am-panombohana ny tontolo androny koa. Izao no fitantaran’i Marka azy: “35 Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany.” (Marka.1)

Fieritreritra izany ho antsika maika lava io: mifoha ny maraina, dia mikoropaka! Tara aho!
Dia lasa! Tsy manam-potoana hipetrahana hivavahana akory. Tsy manam-potoana hamakiana Baiboly.

 Fieritreritra izany ho antsika izay manana fiangonana mivoha isa-maraina, ary afaka
mamonjy ny fotoam-bavaka “Maraim-baovao” na “Maraim-piderana”, izany iantsoana azy. I Jesoa aza nila nipetraka aloha mba hivavaka hiatrehany ny tontolo androany: iza moa ianao no ho mafy noho i Jesoa ka hihevitra ho afa-miatrika samirery ny tontolo andronao? Ny fihetsika voalohany tokony hatao dia ny tsy mihetsika: mipetraka aloha mba hivavaka!

Loharano: IAA, I Jesoa Kristy: fomba fisainana vaovao hoenti-miatrika ny fiainanao!, Antananarivo, 2015, pejy 10-11

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire