lundi 31 octobre 2016

AMIN’NY ALALAN’NY INONA AVY NO AZONTSIKA IJOROANA HO VAVOLOMBELONA?



"Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatry sy vakin'ny olona rehetra;" (II Kor. 3: 2)

I Paoly, raha nanoratra ho an’ny Korintianina, dia nilaza tamin’izy ireo hoe: “2 Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatry sy vakin'ny olona rehetra; 3 eny, aseho ho epistilin'i Kristy izay entinay ianareo, tsy nosoratana tamin'ny ranomainty anefa, fa tamin'ny Fanahin'Andriamanitra velona, tsy teo amin'izay tena vato fisaka, fa teo amin'izay vato fisaka nofo, dia ny fo.” (II Kor. 3.)

Lazainy amin’izany fa ny fiainantsika mpino dia “fantatra sy vakin’ny olona rehetra” toy ny “epistilin’i Kristy”. Koa amin’ny alalan’ny fitondrantenantsika, ny toetra asehontsika, dia mijoro ho vavolombelona koa isika. Ary azo ambara ho fijoroana ho  vavolombelona fototra mihitsy ity fomba iray ity satria, na mitantara aza isika, na mitoriteny aza isika, kanefa, sanatria, ny fiainantsika sy ny fitondrantenantsika mifanohitra amin’ny zavatra lazaintsika, dia very maina ihany izany!

Loharano: IAA, Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika,  Antananarivo, 2013, pejy 7

jeudi 27 octobre 2016

SAMBATRA NY MALEMY FANAHY


Sambatra ny malemy fanahy (Sal. 37. 11a).

          Tsy dia ny  “malemy an-dranom-bary” foana tsy amin’ny antony anefa no antsoin’i Jesosy ho sambatra eto, fa ny sahy hatramin’ny fahafatesana aza. Tsy ny miaro-tena, fa ny miaro ny hafa ; tsy ny mitandro ny voninahitry ny tena, fa ny manondrotra ny hajan’ny sasany sy ny voninahitry ny anaran’Andriamanitra, tahaka izay nataon’ny Tompo Jesosy (Mat. 18: 6, 21: 12, 23: 13 ; Mar. 3: 5).
        Saro-dazaina amin’ny teny indraim-bava anefa ny hevitry ny hoe “malemy fanahy”. Fanetren-tena no fototra iorenany  (Efes. 4: 2 ; Kol. 3: 12) ; ary fitiavana no vi-miaina manetsika azy. Raha tsorina, dia tsy inona fa ny toetry ny olona izay manaiky ny fitondran’Andriamanitra ka mahazaka izay rehetra mihatra, na ny avy amin’Andriamanitra, na ny ataon’olona.
Ho mazava kokoa amin’ny sasany angaha raha ny hevitra négatif indray no anazavantsika azy. Ny malemy fanahy dia olona tsy mora tezitra (Ohab. 16: 32) , tsy mialona, tsy miavonavona (Ohab. 16: 18-19), tsy tia adiady ary tsy mpamaly ratsy.
        Ny Bokim-pahendrena ao amin’ny Testamenta Taloha : (Ohabolana, Mpitoriteny, Salamo) sy ny Epistilin’i Jakoba ao amin’ny Testamenta Vaovao dia samy manambara ny maha-fatratra izany toe-panahy izany ; nefa ny fampianaran’i Jesosy Kristy no tena ahitana azy feno sy tonga ohatra. “Ento ny ziogako, ka mianara amiko, fa malemy fanahy sady tsy miova am-po Aho, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo” (Mat. 11: 29 , 12: 18 - 19, 21: 5).
        Amin’izay nataon’i  Jesosy Kristy no tsy maintsy ianarantsika ny hevitr’ity tenim-pahasambarana ity : Raha notevatevaina Izy, dia nahatsindry fo tsara  ( 1 Pet. 2: 23) ; raha navadik’i Jodasy tamin’ny oroka feno fihatsarambelatsihy, dia niteny tsimoramora hoe : “Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto”; raha nihantona teo ambony hazofijaliana, dia nivavaka ho ann’y fahavalony hoe: “Raiko ô : mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony”. Izany no nataon’i Jesosy ; nefa raha nisy rariny tsy azon’ny fo leferina, dia nahay nirehitra ny Tompo tamin’izay nahamety izany - tsy zakany raha ny voninahitr’Andriamanitra no kasikasihina, raha tsy ny manam-piaro no itsakitsahina (vakio Mat. 18: 6, 21: 12, 23: 13). Isan’ny fampianaran’i Jesosy sarotra arahina ity ;  nefa mihatra indrindra amin’ny fiaimpiainan’ny Kristiana isan’andro vaky, ka dia tsy azo ialana foana na odian-tsy hita. Raha mba tena maniry fahasambaram-panahy sy fiadanam-po isika, dia tsy maintsy mizotra amin’ity lalana ety ity.

Loharano: IAA, Ny tenim-pahasambarana, Antananarivo, 2013, Pejy 13-15.


lundi 24 octobre 2016

MIANARA MIPETRAKA ALOHA MBA HIVAVAKA



“Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany.” (Mar. 1: 35)

Teo am-panombohana ny asany, rehefa vita ny fotoam-pianaran’i Jesoa, tsy mbola tonga dia
niasa koa Izy fa mbola nentin’ny Fanahy nankany an-taniefitra hivavaka tao anaty fifadian-kanina ary halain’ny devoly fanahy (Mat. 4. 1-2), hiatrika fanadinana. Zava-dehibe io fitokanam-bavaka mialoha ny hiasana io, ary fitokanam-bavaka …40 andro sy 40 alina be izao!

Fieritreritra izany fomba nataon’i JESOA nipetraka aloha mba hivavaka izany:  ny Mpiomana
ho Mpiandry no mba mitokana mandritra ny 5 andro mialoha ny fanokanana azy. Fa mba ahoana  ho an’ny Mpitandrina hatokana, ho an’ny diakonina hatokana, ho an’ny biraon’ny sampana samihafa hatokana? Fa firy amin’ireo no mba manana fotoana hitokanana mialoha ny hanombohany miasa?

Fieritreritra izany fomba nataon’i JESOA nipetraka aloha mba hivavaka izany ny amin’ny fanomanam-panahy fanaontsika mialoha ny fanatanterahana ny fanompoham-pivavahana Alahady maraina, ohatra: indraindray toa vavaka maimaika eo am-pitsanganana, vavaka 2 minitra! Nahoana raha mba mipetraka no manao ny fanomanam-panahy? Nahoana raha mba asiana fotoam-bavaka tsara?

Ary tsy teo am-panombohana ny asany ihany i Jesoa no nipetraka mba hivavaka toy izany, fa teo am-panombohana ny tontolo androny koa. Izao no fitantaran’i Marka azy: “35 Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany.” (Marka.1)

Fieritreritra izany ho antsika maika lava io: mifoha ny maraina, dia mikoropaka! Tara aho!
Dia lasa! Tsy manam-potoana hipetrahana hivavahana akory. Tsy manam-potoana hamakiana Baiboly.

 Fieritreritra izany ho antsika izay manana fiangonana mivoha isa-maraina, ary afaka
mamonjy ny fotoam-bavaka “Maraim-baovao” na “Maraim-piderana”, izany iantsoana azy. I Jesoa aza nila nipetraka aloha mba hivavaka hiatrehany ny tontolo androany: iza moa ianao no ho mafy noho i Jesoa ka hihevitra ho afa-miatrika samirery ny tontolo andronao? Ny fihetsika voalohany tokony hatao dia ny tsy mihetsika: mipetraka aloha mba hivavaka!

Loharano: IAA, I Jesoa Kristy: fomba fisainana vaovao hoenti-miatrika ny fiainanao!, Antananarivo, 2015, pejy 10-11

vendredi 21 octobre 2016

SAFIDY

“Ary niakatra teo an-tendrombohitra i Jesoa ka niantso izay tiany hankeo aminy; 
dia nankeo aminy ireo.” (Mar. 3: 13)

Hoy ilay and. 13 teo:” Ary niakatra teo an-tendrombohitra i Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy; dia nankeo aminy ireo.
Ny antso sy ny fifidianan’ny Tompo dia eo tokoa, fa tsy nahatratra ny tanjony izany raha tsy teo koa ny safidin’ireo nantsoina sy nofidina. Izay no maha fototra lehibe iorenan’ny fifidianana antsika ny safidy, ka tsy ny safidin’Andriamanitra no ambara amin’izany fa ny safidintsika olombelona. Ny valin-tenintsika dia sarobidy amin’ny Tompo ary malalaka amin’izany valin-teny ataontsika izany isika. Misy antsoina sy fidina fa mandà; misy antsoina sy fidina dia manaiky! Safidy io!
Ny itantsika eto dia izao: ny tohin’ny fiainan’ireto mpianatr’i Jesoa ireto mihitsy no niankina tamin’ny safidy nataony. Ary toy izany koa: misy vokany makadiry eo amin’ny tohin’ny fiainanao ny fandavanao na ny fanekenao ny fifidianan’ny Tompo! Tia anao Izy ka tsy manery anao satria - ny fitiavana marina rehetra dia manaja ny safidin’ilay tiana- saingy fantaro fa misy fiantraikany amin’ny hoavinao manontolo ny safidy ataonao !


Loharano: IAA, Andao hiomana hiatrika fifidianana !, Antananarivo, 2014, pejy 7

FAHAMASINANA



“…ary Abrahama niraka taminy hanatitra azy.” (Gen. 18: 16 b)

Izay no vokatra voalohany hitantsika eto ateraky ny fifidianana, ry havana.
Ny and. 16 dia ahitantsika an’i Abrahama mandeha mitokana miaraka amin’Andriamanitra. Hamafisin’ny and. 22 izany : “ i Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan’i Jehovah.”
Ny fifidianana rehetra, ry havana, dia tsy afa-misaraka amin’ny fanavahana: rehefa fidina ianao dia avahana amin’ny hafa izay tsy voafidy. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny fifidianana dia midika fa atokana ianao. Ary izany indrindra no hevitry ny hoe “masina” ato amin’ny Soratra Masina: masina=voatokana.
Koa ianao izay voafidy, tsarovy fa mitaky fahamasinana aminao io nahavoafidy anao io. Isika Fiangonana, mitaky fahamasinana ny maha Fiangonana antsika! “ Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao”, hoy i Paoly tamin’ny Kristianina tany Roma (Rom. 12: 2). Sao ny fifidianana nekenao, faly ianao fa voafidy ho izao na ho izao; nefa ny fiainanao milomano ao anaty tsy fahamasinana. Tsy mety izany. Raha ekenao ny fifidianana anao, manapaha hevitra handeha amin’ny fahamasinana, amin’ny maha olona voatokana an’i Jesoa anao!

Loharano: IAA, Andao hiomana hiatrika fifidianana!, Antananarivo, 2014, pejy 25-26

jeudi 20 octobre 2016

NAHOANA ISIKA NO MIJORO HO VAVOLOMBELONA?





         Raha handeha hiakatra ho any an-danitra i Jesoa Tompontsika dia tsy nentiny niakatra avy hatrany ny mpianany. Nahoana? -Satria, hoy Izy : “Hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.” (Asa. 1.8).
Koa navelany eto amin’izao tontolo izao isika mpianany mba hijoro ho vavolombelony.
Koa tsy haitraitrantsika akory ny fijoroana ho vavolombelona fa tena antom-pisiantsika amin’ny maha Fiangonan’i Jesoa Kristy antsika mihitsy. Ny tsy fanaovantsika izany dia tena fiam-pangan-tena ataontsika mihitsy ho fialana, sanatria, amin’ny antom-pisiantsika.
Fa io hoe “vavolombeloko” io no anarana voalohany nomen’i Jesoa  ny mpianany taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Izany hoe: vonona hameno antsika amin’ny heriny nandresy ny fahafatesana Izy hanefantsika izany. Toky lehibe ho antsika izany. Koa alao hery àry! Mijoroa!


Loharano: IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, Antananarivo, 2013, pejy 1