mercredi 16 novembre 2016

MANANA HAZON-DAMOSINA


 “ Ary aza manaraka ny  fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina” (Rom. 12 .2).

Ny fihaonana amin’i Kristy dia mitarika antsika hiavaka amin’izao tontolo izao. Mila manana hazon-damosina tsy hanaradrian-drano amin’ny fanaon’ny tsy mpivavaka isika.
Dia hoy Petera manamafy izany : “ 3 Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ny jentilisa tamin’ny nandehanana tamin’ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra; 4 ary amin’izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin’izany fanaranam-po amin’ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy… (  I Pet.4.3-4)

Loharano: IAA, Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, Antananarivo, 2013, pejy 10

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire