mardi 8 novembre 2016

ANDRAIKITRA

“Fa i Abrahama ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” (Mar. 3: 14-15).

Manana antom-pisiana vaovao homena ny olona fidîny Andriamanitra. Manana iraka hampanaovina azy Izy. Raha lazaina amin’ny teny hafa: manana andraikitra hankinina aminy Izy.
Eto, ny andraikitra napetraka tamin’i Abrahama dia ny ho fitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Ary andraikitra tsy miova izany, raha ny Fiangonana no heverina. Andraikitra tsy miova koa izany ho an’ny olom-boafidy manokana rehetra. Tsy misy olona nofidina ho birao, na komity, na diakonina, ohatra, izay tsy nametrahana andraikitra hiantsorohany. Ny fifidianana dia tsy afa-misaraka amin’ny andraikitra. Izany andraikitra izany dia andraikitra be voninahitra. Eto i Abrahama dia voalaza fa ho “tonga firenena lehibe sy mahery tokoa”. Voninahitra lehibe izany. Tombon-tsoa lehibe izany. Marina izany, satria ny fifidianana dia ahazoana voninahitra sy tombon-tsoa.
Izay tsy azo hadinoina anefa dia izao: tsy voninahitra sy tombon-tsoa fotsiny io, fa tena andraikitra tsy maintsy tanterahina indrindra koa. Ary io andraikitra io dia fahavelomana ho an’ny hafa, fa tsy ho an’ny tena akory: ho fitahiana ny hafa, ho fitahiana ho an’ny fiangonana,ho fitahiana ho an’ny fiaraha-monina! Ianao izay voafidy: handany mondron-kery, handany fotoana, handany vola  aman-karena ho an’ny fiangonana sy ny asan’Andriamanitra ianao.
Tandremo: sao ny fifidianana, nekena; nefa ny andraikitra tsy raisina araka ny tokony ho izy. Mitandrema mba tsy ho latsaka amin’ny fakam-panahy mahazo ny sasany ka ny voninahitra maha izao sy izao no mahamaika, fa rehefa tena hiasa, tsy hita! Andriamanitra, rehefa mifidy, dia mifidy satria misy ilany anao ao. Raha tsy manao izay ilany anao ianao, dia anjaranao ny mamaly ny hoe: “olona misy ilana ahy aho sa olona tsisy hilana azy?”

Loharano: IAA, Andao hiomana hiatrika fifidianana !, Antananarivo, 2014, pejy 27-28

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire